<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 He maharavoravo,
 Jeso, ny fitiavanao ;
 Izaho dia mpanota lavo,
 Nefa Jeso, nareninao.
 Mamin'ny foko loatra,
 Ny fanavotana vitanao ;
 He ! ny foko tsy afa-
 manoatra
 Jeso, hihira ho Anao.

[V2]
 Izaho mpanota adala
 No nanehoam-pitiavan-tsoa
 Ny heloko, Jeso malala,
 Navelanao tokoa tokoa.
 Mamin'ny foko .. sns.

[V3]
 Endrey ny hafaliako :
 Ny heloko navelanao,
 He ! maivana ny fahoriako
 Noho ny fanavotanao.
 Mamin'ny foko .. sns.</lyrics>
<title>He! Maharavoravo FFPM423</title>
<hymn_number>423</hymn_number>
<author>J. Rajaonah</author>
</song>